PUBLICATIONS RECENTES

Posted in Autres Evenements

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fonja.

📌Sabotsy faha – 23 Marsa 2024.
Camp Pénal Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, tany mirefy 1ha no nambolena hazo fihinam-boho miisa 300 fototra.
Paoma 50, poara 50, paiso voloina 60, paiso malama 80, zavoka 50, kaky 10.

➡️Telo taona dia azo hitazana ny vokatra. Ireo dia hanampiana ny sakafo eny anivon’ny fonja ka ady amin’ny vokadratsin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny Voafonja no tanjona amin’izany.
Nanamafy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina fa Zon’ny Voafonja, amin’ny maha-olombelona azy ny fihinanana sakafo ampy sy ara-pahasalamana, ary ankoatr’izay dia fanomanana ny Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina no antom-pisian’ny Toby famokaran’ny Voafonja.

⭕Ho tanterahana manerana ny Toby famokaran’ny Voafonja manerana an’i Madagasikara arak’izany ny Fambolena hazo fihinam-boho.
Raha ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, izy no tobim-pamokarana fitaratra ho an’ny Talem-paritry ny fitantanana ny Fonja anatin’ny Faritra Vakinankaratra, izay hahitana velaran-tany mirefy 16ha, ary efa misy voly vary sy katsaka, ankoatr’ireto hazo fihinam-boho, avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.

⭕Miara-miasa ara -tekinika amin’ny Fambolena sy fikojakojana ny hazo fihinam-boho ny La Pépinière d’ Antsirabe. Marihana fa manana omby miisa efatra ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, vavy 1 ary lahy 3.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsirabe.

📌Zoma faha – 22 Marsa 2024.
Antsirabe, natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny karatra fanarahan-draharaha  » Carnet de Suivi ». Ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina izay nisolontena ny Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoky sy fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha. Tanjona amin’izany ny fanamorana ny fanatonan’ny Vahoaka ny Fitsarana sy ny fanafoanana ny asan’ny Mpijirika.

✅Tsapan’ny Vahoaka ny fiovana fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana, ary nambaran’izy ireo fa tena manampy betsaka amin’ny olan’ny manan-draharaha ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha.

⭕Taloha mantsy dia sarotra ho an’izy ireo ny manantona ny Fitsarana eto Antsirabe satria olona avy any ambanivohitra no betsaka manan-draharaha, ka sahirana amin’ny fakan-kevitra sy ny fanarahana ny raharahany.
Marihana fa efa nampiasa « Carnet » ihany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe, saingy samy mitondra ny azy ny tsirairay ka mbola sarotra na ny famenoana izany aza. Ity karatra fanarahan-draharaha ity kosa dia mora hampiasaina ary manaraka ny fe-petra ara-tekinika mikasika ny zotram-pitsarana.

⭕Mialohan’ny nampiasana ny karatra fanarahan-draharaha dia nazavaina tamin’ny Mpiasan’ny Fitsarana eto Antsirabe ny fomba fampiasana azy sy ny voarakitra ao anatiny. Nitondra ny fanazavana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny firaketan-draharaha, notronon’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.

Posted in Autres Evenements

Ady amin’ny fidorohana sy fitsindromana zava-mahadomelina.

📌Nanomboka ny faha-19 Febroary 2024 ka hatramin’ny faha-19 Marsa 2024 dia Sekoly miisa 51 no voatsidiky ny Minisiteran’ny Fitsarana. Sekoly ao anatin’ny Faritra Analamanga izy ireo, ary ny fanentanana mikasika ny ady atao amin’ny fidorohana sy fitsindronana zava – mahadomelina no votoatin’ny fitsidihana. Mpianatra miisa 31.678 no voakasiky ny fanentanana sy fandresen-dahatra. Nampitaina tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalaman’ny vatan’ olombelona, ny olana haterany eo anivon’ny Fianakaviana sy ny Fiaraha-monina. Nampahafantarina azy ireo ny sazy miandry ny Mpidoroka sy ny Mpitsindrona zava-mahadomelina sy ny Mpivarotra azy.
Nampiseho ny Mpianatra ny endriky ny karazana rongony.

Izao hetsika izao dia natao hampandraisana andraikitra ny Mpianatra manoloana ny ambana mananontanona , indrindra ho an’ny tanora.

Posted in Actualités

Fonjan’ny Toliara.

📌Zoma faha-15 Marsa 2024.
Fonjan’i Toliara, nijery ny zavamisy iainan’ny Voafonja ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. Nandritra izany no nilazany fa
tsy maintsy hampitomboina ny fanofanana ny Voafonja. Izany dia mba ho fanamafisana ny fanarenana ny fiainan’izy ireo, rehefa tapitra ny sazy. Ary ho fanatanterahana ny politikam-panjakana dia ny fanomezan-danja ny mahaolona.

⭕Nohamafisiny fa fanofanana mivelatra amin’ny sehatra maro no hampanaovina ny Voafonja ka tsy maintsy mametraka fiaraha-miasa amin’ny karazam-pikambanana matianina ny tompon’andraikitry ny Fonja. Ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy Fanofanana arak’asa. Ho tan-tsoroka amin’izany dia nanolotra fitaovana ho enti-miofana ny Minisitry ny Fitsarana. Nahitana lafaoro miaraka amin’ny kojakoja fanaovana mofomamy, milina fanjairana miaraka amin’ny kofehy sy valonan-damba, fitaovana fidiovana, koveta sy fandokoana trano ary sakafo.

➡️Raha ny eto amin’ny Fonjaben’ny Toliara, 837 no isan’ny Voafonja. Lehilahy ny 787, 25 no isan’ny Vehivavy, 25 Zaza tsy ampy taona ka zazalahy ny 22 ary 3 kosa ny zazavavy.

Posted in Actualités

Fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifananovan’ny samy olon-tsotra.

📌Zoma, faha-15 Marsa 2024.

Toliara, tapitra ny telo andro nanatanterahana ny Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra  » Journée des Chefs de Juridictions Judiciaires ». Ny avy amin’ny Fitsarana Ambony anatin’ny Faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa no niatrika izany. Maro ny teboka novelabelarina, nanaovana adihevitra ary nifanakalozana traikefa. Nandray anjara tamin’io fihaonambe io ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ka nilaza fa nisy ny fiaraha-mientana sy fahavononana hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana dia ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny fanandratana ny maha olona ary ny ady amin’ny kolikoly.

⭕Hamafisina ny fampiharana ny « Politique pénal », hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny Zandary sy ny Polisy miandraikitra famotorana. Asa miandry ny tsirairay ny fampiharana ny fehin-kevitra noraisina mba hahatratrarana ny tanjona kendrena. Marihana fa ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD no nentina nanatontosa ity Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra, izay natao teto Toliara ity.